← Lisitry ny lesona Fianarana · Lesona 4

Filàna sy fangatahana

Potrzeby, polecenia i prośby — Filàna sy fangatahana

Potrzeby podstawowe — Filàna fototra

Amin'ny teny poloney, ny fahatsapana toy ny hanoanana na hangetahetana dia lazaina matetika amin'ny matoanteny być + adjectif (Jestem głodny) — tsy misy io matoanteny io amin'ny malagasy (jereo Lesona 9). Ny Chce mi się pić sy Jest mi gorąco / zimno kosa dia fomba fiteny raikitra: tadidio tsianjery.

PoloneyMalagasy
Jestem zmęczony / zmęczona.Reraka aho.
Jestem głodny / głodna.Noana aho.
Jestem najedzony / najedzona.Voky aho.
Chce mi się pić.Mangetaheta aho.
Jest mi gorąco.Mafana aho.
Jest mi zimno.Mangatsiaka aho.

Chcę + czasownik

Ny teny chcę (avy amin'ny matoanteny chcieć) dia arahin'ny matoanteny hafa amin'ny endriny fototra (-ć) — mitovitovy amin'ny te h- malagasy.

PoloneyMalagasy
Chcę się napić wody.Te hisotro rano aho.
Chcę coś zjeść.Te hisakafo aho.
Chcę spać.Te hatory aho.
Chcę wyjść.Te hivoaka aho.

Potrzebować — Mila

Ny matoanteny potrzebować dia arahin'ny anarana mivantana (tsy toy ny chcę izay mila matoanteny hafa). Miova kely ny faran'ny anarana (wodawody) — jereo Lesona 31.

PoloneyMalagasy
Potrzebuję wody.Mila rano aho.
Potrzebuję długopisu.Mila penina aho.
Potrzebuję czasu.Mila fotoana aho.
Potrzebuję pomocy.Mila fanampiana aho.
Muszę się przespać.Mila matory aho.

Polecenia i prośby — Baiko sy fangatahana

PoloneyMalagasy
TakEny
NieTsia
Proszę / przepraszamAzafady
Chodź tutaj.Avia aty.
Czekaj!Andraso!
Chodźmy! / Idziemy!Ndao handeha!
Prawda / zgadza sięMarina
Fałsz / błędnieDiso
Wystarczy!Ampy izay!
Rozumiesz?Azonao ve?
Potrzebuję wody, proszę.Mila rano aho azafady.
Daj mi wody, proszę.Mba omeo rano aho azafady.

Fanazaran-tena — Ćwiczenie

Adikao ao an-tsainao aloha, avy eo tsindrio ny karatra mba hijery ny valiny.

Jestem głodny.
tsindrio
Noana aho.
Chce mi się pić.
tsindrio
Mangetaheta aho.
Chcę spać.
tsindrio
Te hatory aho.
Czekaj!
tsindrio
Andraso!
Chodźmy!
tsindrio
Ndao handeha!
Daj mi wody, proszę.
tsindrio
Mba omeo rano aho azafady.